Baolina kitra – GTA : ho fantatra anio izay hanao manasa-dalana

Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, ny lalao ampahefa-dalana “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Ho fantatra eo ireo ekipa 4 hiatrika ny manasa-dalana amin’izany. Ho toy ny famaranana avokoa ny fifanandrinana. Anisan’izany ny an’ny AS Fanalamanga sy ny Avenir Ste Anne ary ny an’ny CFFA mpampiantrano sy ny Disciples Fc Espoir. Eo koa ny an’ny Ajesaia sy ny Valence. Hidona amin’ny ankatoky ny famaranana, izay tafavoaka amin’ny AS Fanalamanga sy Avenir Ste Anne sy izay afaka eo amin’ny CFFA sy ny Disciples Espoir. Toy izany koa izay tafita amin’ny Ajesaia sy ny FC Valence hidona amin’izay mandresy eo amin’ny AS Ste Anne Espoir sy ny Cosfa. Marihina fa klioba mifaninana amin’ny “Pureplay Football League (PFL) ny efatra amin’ireo, dia ny Ajesaia Bongolava, ny Avenir Ste Anne, ny As Fanalamanga ary ny CFFA. Tsiahivina fa hotolorana lelavola 20 tapitrisa Ariary izay voalohany amin’ity GTA andiany faharoa ity, araka ny fanambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filoha mpikarakara ny GTA.

Fitia Randria

Ireo fandaharan-dalao anio sy rahampitso

Kianja CFFA Iavoloha
Sabotsy 2 novambra
12 ora : Ajesaia vs FC Valence
2 ora : AS Fanalamanga vs Avenir Ste Anne
Alahady 3 novambra
12 ora : AS Ste Anne Espoir vs Cosfa
2 ora : CFFA vs Disciples Espoir

Partager sur: