Miaraka amin’ny zanany vavy manatona ny CSB II Ambalavato ny renim-pianakaviana hisafidy ny fomba fanabeazana aizana sahaza azy ireo. Efa nivoatra ny toe-tsaina ary nahatsapa izy ireo fa ilaina ny miaro ny taranaka amin’ny vohoka tsy iriana.
80 ka hatramin’ny 100 isan’andro ny olona tonga manatona ny CSB II Ambalavato hisitraka tolotra fandrindram-piterahana, ao amin’ny kaominina Antsirabe I, tanora ny 30 amin’ireo, araka ny fanazavan’ny rasazy tomponandraikitry ny fandrindram-piterahana ao amin’ny CSB II, Rahanitranomirana Vatosoa Nomenjanahary, tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny toeram-piasany. Mpianatra eny amin’ny CEG, Lycée ny ankamaroany ary matetika miaraka amin’ny reniny izy ireo maka torohevitra sy misafidy ny fanafody mety aminy. Be mpisafidy, ho an’ireo sokajin-taona ireo, ny pilina hanina, ny implanon sy ny DIU apetraka ao amin’ny tranon-jaza ary ny fimailo. “Isan-taona, mahatratra 84 ireo zatovovavy latsaky ny 18 taona miteraka ao amin’ny CSB II Ambalavato. Eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 17 taona izy ireo. Efa mampiasa fandrindram-piterahana ny maro anisa », hoy ihany izy.
Mavitrika mampiasa fanafody fandrindram-piterahana ny vehivavy ao Antsirabe, raha ny zava-misy ao amin’ny CSB II, telo sisa ireo mametraka carnet ao amin’ny rasazy mbola manafina fa manabe aizana. Maro mpisafidy ny tsindrona sy ny implanon amin’ny karazam-panafody misy. Tsy ny vehivavy irery fa lehilahy iray isan’andro no tonga maka kapaoty ao amin’ny CSB II hiarovan-tena. Mahatsapa ny mponina fa miha sarotra ny fameloman-tena sy ny fianakaviana ka misafidy ny handrindra fiterahana na koa hiaro ny vohoka aloha loatra izy ireo.
Manentana eny ifotony
Midina eny anivon’ny fokontany indray mandeha isan-taona ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanentana ara-pahasalamana manentana momba ny tombontsoa azo amin’ny fanabeazana aizana sy manazava ny karazany azon’ny tsirairay ampiasaina maimaimpoana. Efa nahazo fiofanana momba ny fandrindram-piterahana rahateo ny AC ka afaka manome pilina na koa manindrona ireo vehivavy misafidy ireo fomba ireo.
Vonjy