Hita faty nifato-tenda ny vehivavy iray tao amin’ny kaominina Andramasina, ny 31 oktobra teo. Nihantona teo amin’ny hazo voamboana izy ka tapaka ny tady nihantonany.
Vehivavy vao herotrerony, hita faty nifato-tenda tao amin’ny fokontany Bemalaza, kaominina Andramasina, ny 31 oktobra teo. Tsy hita popoka nanomboka ny faran’ny volana jona teo ity vehivavy ity. Nametraka fitarainana momba ny tsy fahitana azy ny fianakaviany. Mpandalo iray anisan’ireo fokonolona tao amin’ny tanànan’Antanetilava-Ambohitsaratelo, no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa, ny faran’ny volana teo. Vehivavy iray hitan’izy ireo nifatotra tady ny tendany. Tsy lavitra ny hazo voamboana iray tao an-toerana io fatin’olona io. Nampandre manam-pahefana avy hatrany ny nanatri-maso. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary roa lahy.
Namono tena…
Nifatotra tamin’ny alalan’ny tady niloko manga teo amin’ny tendany io vehivavy izay vao 19 taona monja io. Tsy hitan’ny fianakaviany nanomboka ny 30 jona lasa teo izy. Tsy fantatra mazava ny toerana tena nisy azy taorian’izay. Niezaka nikaroka azy ny havany akaiky saingy tsy nahazo loharanom-baovao marim-pototra tamin’ny toerana tena nisy azy marina. Nahare ny zava-nisy, nidina ifotony nizaha ny vatana mangatsiakan’io namoy ny ainy io ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo avy eo anivon’ny CHRD Andramasina. Hita faty 1 km atsimo atsinanana niala ny trano fonenany io vehivavy io. Niforitra ny tongony. Nifatotra tady ny tendany ary nijanona teo amin’ny hazo ny ampahan’ny tady nifatorany. Tavela teo amin’ny tati-nonony ny findainy. Araka ny fizahan’ny mpitsabo, namono tena ity vehivavy ity.
Tsiferana R.