Misy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma) sy ny Valiha Académie. Ho fanohizana izany, fantatra fa hirotsaka amin’ny fampivelarana ny kabary ny Fi.Mpi.Ma sampana Itaosy sy ity foibe fikarohana sy fandalinana ary fikarohana momba ny zavakanto ity. Hisy ny fampianarana sy fanofanana kabary ho an’ireo mpikambana ao anatin’ny Valiha Académie. « Vao mainka hampivelatra ny kolontsaina malagasy ny fiaraha-miasa tahaka izao, satria, mifameno ny kanto hasandratra sy koloina. Samy mahakitika ny fo sy ny saina ary ny fanahy malagasy izay fanahy maha olona na ny kabary na ny valiha », hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Valiha Académie. Fantatra fa, saika tanora sy mpianatra ary mpikaroka avokoa ireto hianatra sy hiofana ho mpikabary ireto.
Mifameno tanteraka
Tsara ho fantatra fa anisan’ny mitaky saina mivelatra ny fanatanterahana kabary na ny fikabariana. Ny feom-baliha sy ny fanetsehana ny rantsam-batana mifandraika amin’izany, eo am-pitendrena ity zavamaneno ity no anisan’ny manome sakafon-tsaina lehibe. Mitarika any amin’ny faharanitan-tsaina sy any amin’ny fisokafan’ny fomba fijery.
Mitaky fo madio ny kabary. Ny valiha sy ny feony no manokatra ny fo ho afaka hiasa tsara amin’ny fotoana rehetra… Mifameno tanteraka ny kabary sy ny valiha
HaRy Razafindrakoto