Fandrindrana ny tanàn-dehibe : mitaky fenitra ny fanorenana trano

Antoka ho an’ny fandrindrana ny tanàn-dehibe sy ny fanajariana ny tany ny fanaraha-penitry ny fanorenana mba hamaly ny filan’ny mponina ao aminy.

Mitaky fenitra ara-teknika sy fepetra maro ny fanorenana sy ny fandrindrana ny tanàn-dehibe. « Tsy tokony hifanakona ny trano fa ho azon’ny andro, tokony ho afa-miaina malalaka ny fianakaviana iray na misy trano lehibe aza eo akaiky eo », hoy ny tale jeneralin’ny fanajariana ny tany eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Rabodonirina Miangaly, ny alakamisy teo, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tanàn-dehibe, teny Ampasa­pito. Mila jerena, hoy izy, ny endriky ny tanàn-dehibe tiana hohajariana. Samy manana ny endriny ity farany raha mitovy kosa ny fenitry ny trano, migodana ny lalana ary mamaly ny filantsika andavanandro ny tolotra hita ao aminy. Antony indrindra nitondrana ny lohahevitra hoe « tanora miasa eny ifotony sy miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro ». Heverina fa mbola misy ny vahaolana maro azo trandrahina hitondrana zava-tsoa ho an’ny tanàn-dehibe tahaka an’Antananarivo, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Noho izany, azo hiara-miasa ny tanora hanamboarana tanàn-dehibe mendrika hanana toeram-ponenana manara-penitra.

Paikady
Voaresaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra ireo fanamby sy fanararaotra amin’ireo tanàna salantsalany. Nitondra fanazavana mahakasika ireo tanàna sy ny fiovaovan’ny toetr’andro ihany koa ireo mpandray anjara. An­koatra izay, hamaly ireo fenitra takin’ny fanorenana sy ny fanajariana ny tany ny fandaharanasa nasionaly momba ny fananantany andiany faharoa. Mahakasika sehatra dimy izany ary hita ao avokoa ny tondrozotra rehetra mifandraika amin’ny tanàn-dehibe. Tanjona ny hanatsara ny sehatry ny fananantany sy hametrahana ny fototra amin’ ny fampandrosoana maharitra ny toekarena.

Henintsoa Hani

Partager sur: