FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny nanosika ny depiote, i Gascar Feno­soa, ho ben’ny Tanàn’Antananarivo ny fahitany ny faha­sarotan’ny fiainan’ny olona, araka ny nambarany. Nijery ny lalankely namboarina, etsy Ankorondrano Atsina­nana ny tenany, afakomaly, ary nanamgy ireo tsy salama ka nanampy amin’ny hamonjena toeram-pitsaboana.

Ho fantatra aorian’ny 8 novambra izao, amin’ ny alalan’ny lahadinika, ny fotoana handaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2025. Nambaran’ny filohan’ny Vaomiera misahana ny toekarena sy ny tetibola eny amin’ny Antenimiera, ny depiote Razafimahefa Tianarivelo, fa efa tonga eny Tsim­bazaza izany volavolan-dalàna izany.

Namory ireo talen’ny seraseran’ireo minisitera rehetra ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, i Mara Volamiranty Donna, tamin’ny ity herinandro ity. Tan­jona amin’izany ny fifampizarana sy ny fanamafisana sy fampiakarana ny lentan’ny serasera ary indrindra mba hananana fomba fijery mirindra.

Tafapetraka ny ivontoerana iray SGEAE hikirakirana ireo antotan-taratasy rehetra momba ny mpiasam-panjakana. Natao ho an’ireo vao manomboka ka hatrany amin’ireo misotro ronono izany. Hihena ny mety ho fisian’ny kolikoly sy ny fotoana lany ary koa ny fikirakirana izany. Naharitra 96 ora ny fanaovana izany teo aloha raha efa 48 ora kosa izany ankehitriny, etsy amin’ ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola.

Partager sur: