Notanterahina ny alakamisy 31 oktobra 2024 teo, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana « Invitation aux Temps ». Fampirantiana hanehoan’i Finoana Ratovo Andriatseheno izy ity. Mpahay kanto maro sy mpanao gazety ary mpankafy ny kanton’ity mpanakanto tompon’ny fampirantiana ity no niatrika izany. Tao anatin’izany hetsika izany no nanehoana ireo zavakanto sangany an’ity mpanakanto ity. Ankoatra ny lanonam-panokafana, nisy ihany koa ny tafa niarahana tamin’i Hemerson Andrianetrazafy, akademisianina sy mpahay tantara momba ny zavakanto.
Misokatra ho an’ny rehetra nanomboka anio hatramin’ny 28 novambra 2024, ny fampirantiana « Invitation aux Temps ». Rantin-javakanto manasa ny mpitsidika handinika sy hisaintsaina miaraka amin’ny fotoana. Eo ihany koa ny fitaritana azy ireo hanaiky ny fiovana sy ny zotram-piainana natoraly ao anatin’ny fanajana ny fotoana iainana.
Marihina fa hosodoko sy sary sokitra no haranty mandritra izany. Eo ihany koa ny zavakanto vita amin’ny vy, izay mampiavaka ity mpanakanto ity.
Lin