Nitondra ny fijeriny amin’ny fitantanam-panjakana ny Hetsika Rohy. Tokony hatao mangarahara hatrany izany, araka ny fanazavan’izy ireo.
“Ny zava-dehibe dia ny fitakiana mandrakariva ny fametrahana ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana ny fiainam-panjakana amin’ny ankapobeny.
Tsy amin’ny volam-panjakana ihany, fa na ny eny anivon’ny minisitera tsirairay avy aza dia tokony hipetraka izay fangaraharana izay”. Io ny fanazavan’ny mpandrindra teknika ny Hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Harijaona, an-telefaonina, omaly, ny amin’ny fivoriamben’ny Hetsika Rohy teny Ambatonakanga, ny 30 oktobra. Nandray anjara tamin’izany ny fikambanana 1 000 mahery avy amin’ny Faritra 23.
Nahazoana nanao tatitra ny asa vita, taona 2023-2024, ny fivoriambe. Teo amin’ireo sehatra maro andraisan-dry zareo andraikitra. Eo ny fanabeazana, ny fangaraharan’ny tetibola sy ny fitantanam-bolam-panjakana, ny fiarovana tontolo iainana sy ny fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany izay nanaovana fanatsarana ny lalàna momba azy, ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fiarovana ny mpiaro ny zon’olombelona izay misy tolo-dalàna mbola eny amin’ ny Antenimierampirenena hatramin’izao, ny fananantany…
Nojerena koa izay mbola hatao amin’ny 2024-2025: inona no tokony hohatsaraina? Eo koa izay tokony hohatsaraina eo anivon’ny firaisamonina sivily malagasy. Noho ny fivoatran’ny fahasahiranam-bahoaka amin’ny entana ilaina andavanandro na ny amin’ny famatsian-drano sy jiro, hanomboka hiditra amin’ny fiarovana ny mpanjifa sy ny olom-pirenena amin’izay ny Hetsika Rohy. Anisan’ny lohahevitra vaovao horaisin’ny Hetsika Rohy izay manomboka izao. Hisy fandrafetana paikady koa hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro.
R. Nd.