Nanao hetsika nitily maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza manerana ny distrika maro ny fitondram-panjakana sy ny mpiray ombon’antoka nandritra ny volana oktobra, izay volana natokana hiadiana amin’ireo karazana homamiadana mpiseho amin’ny vehivavy. Tao amin’ny CSB II Ambalavato, ho an’ny distrikan’Antsirabe, no nanatanterahina izany, tamin’ity herinandro ity. “Fitiliana 30 ho an’ny roa andro naharetan’ny asa no vinan’ny mpiasan’ny fahasalamana fa ho tratrarina ary nifarimbona tamin’ny hetsika ny Fisa, MSI, fondation Akbaraly…”, hoy ny nambaran’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana sady mpampiofana, Ravelojaona Mbolamasoandro.
Ho an’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, zava-dehibe ny fisorohana amin’ny fitiliana raha vao manomboka manao firaisana ara-nofo ny vehivavy. Mandritra ny hetsika, raisina an-tanana amin’ny “cryothérapie” ireo vehivavy tratran’ny homamiadana raha kelikely ny velaran’ny ratra hita mandritra ny fitiliana izay mivaly eo no ho eo. Misy fandraisana anjara alaina amin’ilay vehivavy hisitraka “cryothérapie”. Indray mandeha ihany no atao ny fitsaboana ary ampianarina fomba fiaina vaovao izy aorian’izay.
Ho an’ny ratra lehibe voatily, alefa manatona hopitaly kosa ilay vehivavy horaisina an-tanana manokana.
Vonjy