Mandinika fa tsy madinika

 

Miditra anatin’ny vanim-potoan’ny maitsoahitra ny Mala­gasy, amin’izao fotoana izao. mampirongatra ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana lalina amin’ny endriny isan-karazany izany. Miditra vaninandro fanao­vana fampielezan-kevitra ihany koa, hany ka mahamora ny fanambakana ny vahoaka madinika. Betsaka ny mora tafiditra anatin’ny haraton’ny mpanao politika sadasada.
Manoloana izany, tokony hahatonga saina ny sarambabem-bahoaka ny zava-misy sy iainan’izy ireo amin’ny andavanandro. Maro no matin-kaninkely ka mibaby ny vokany mandra-pahafaty. Tsy ny maha vahoaka madinika lava anefa no ahafahana mandray anjara amin’ny asa fampandrosoana. Vahoaka mandinika no tena ilaina raha te ho afaka ambany vahohon’ny adim-piainana sy ny fanambakana amin’ny endriny samihafa.
Saro-pady ny zava-misy sy iainan-dRamalagasy amin’ izao fotoana izao. Mila mijoro ny sokajin’olona rehetra fa tsy ho jamban’ny tampi-maso indray miserana. Mila mahasahy mampiseho hambom-po fa tsy ho voafitaky ny kabary ambony vavahady. Maro ny mpanome toky, maro ny mampanantena volana sy kintana. Tsy izay mamirapiratra anefa dia volamena na mpizara fahazavana.
Betsaka ny ankosotra sy sandoka, mamandrika ny Malagasy tsivakivolo. Mandalo dia miserana ireny ary mora lefy sy mainka aza mandetika an-davaka. Izay no ilana ny fahatongavan-tsain’ny olom-pirenena rehetra. Ilay fomba fisaina mihitsy no mila mivoatra, mba hahafahana mihoatra.
Tsy ho arak’izay dokotera mpitsabo samy irery ny hampisinda ny rofy mikiky. Ny marary mila fanasitranana no tsy maintsy manam-pahavononana ny hanohitra izany. Manam-piniavana ny tsy ho resy sy sodokan’ny fanafody peta-toko. Mila mandinika lalina sy am-pahendrena mba tsy ho ambakain’ny mihevitra fa mpitondra fahagagana sandoka.

r.r

Partager sur: