Tsy rindran-kira ifandimbiasana fotsiny. Tantara an-kira hanasongadina lohahevitra maro manodidina ny fitiavana ny « Ndao… ! », iarahan’i Nate Tex sy i Tovo J’Hay.
Inona ny karazan-tseho iray miavaka, tsy mbola nisy nanao kanefa azo antoka fa ho be mpankafy? Niainga tamin’ny valin’izay fanontaniana izay no nandrafetana ny « Ndao… ! ». fampisehoana iray izay hotontosaina ny asabotsy 16 novambra izao izy ity, manomboka amin’ny 3 ora, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. I Tovo J’Hay sy i Nate Tex no nosafidian’ny Prest’ Event hanatontosa izany.
« Sambany vao hisy io ary azonay antoka fa hiavaka. Hatao tantara iray ny hiran’izy roa lahy, mandritra ny adiny 3 sy 20 minitra eo. Halahatra isaky ny lohahevitra izany, miainga amin’ny teboka iray mankany amin’ny teboka hafa. Samy eo ambony sehatra avokoa ny mpitendrin’ny tsirairay, ka seho efa mirindra no hatolotra eo. Hanomboka ny famerenana izany izahay izao”, hoy ny nambaran’i Jack Thierry, izay hisahana manokana ny fandrindrana ara-javakanto an’ity seho ity, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika, omaly.
“Voninahitra lehibe ho ahy izany hiray sehatra amin’ny zoky nitaiza tamin’ny mozika izany. I Tovo J’Hay ny mpanakanto voalohany nampihainoako ny hirako tamin’izany. Nofy tanteraka ity ho ahy manokana”, hoy i Nate Tex. “Haverina ireo fotoana voalohany niarahana ka hatramin’izao, hofehezina anaty fotoana iray”, hoy kosa i Tovo J’Hay.
“Ndao…!”. Ankoatra ny maha fanentanana azy, midika ho fitohizana ihany koa ilay teboka telo ao anatin’ny anaran’ny fampisehoana. “Tsy vao voalohany no nisehatra tamin’ny fikarakarana fampisehoana izahay, ary kasainay hisy tohiny izy ity. Nitodika tany amin’izy mirahalahy ny safidy satria na tsy niara-nanomboka tanaty vanim-potoana iray aza, afaka miaraka tsara anaty zavakanto. Tsy mifangarika ny gadona ka mora ny fampiarahana”, hoy kosa i Volamihanta, avy ao amin’ny Prest’Event.
Zo ny Aina