Rugby – «Top 12 Mada»: hiady lohany ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro faha-9, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Top 12”, taranja rugby. Hi­songadina amin’izany ny fi­haonana eo amin’ny FTM Man­jakaray sy Cosfa (Miara­mila Bebaoty), hiady izay ho lohany. Mitarika eo amin’ny filaharana ry zareo Manja­karay (Dakar) raha eo amin’ny faharoa ny Cosfa.
Hiendrika famaranana kely ny fihaonan’ny roa tonta. Izy ireo izay samy tsy mbola tojo faharesena nandritra ny fifanintsanana. Heverin’ny rehetra fa lalaon’ny mpanazatra no hitranga ary hivoaka ho mpandresy izay tsara paikady.
Ekipa diso mifankahalala tsara mantsy izy ireo ka sarotra ny haminavina izay ho tafavoaka. Samy manana teknisianina mpilalao sy matanjaka na ny andaniny na ny ankilany. I Koroka, ry Lahatra sy Jean Yves raha tsy hilaza afa-tsy ireo, ho an’ny Manjakaray. Manana an’i Maxim sy i Ginot miampy an-dry Hery koa ny Bebaoty.
Ho voa izay ratsy fanomanana sy manao fahadisoana tsy nahy amin’ity. Samy ma­nana ny fomba filalaony ny roa tonta ary endri-dalao avo lenta no ho hitan’ny mpijery amin’io. Hanala vela amin’ity ry zareo FTM Manjakaray. Irarian’ny rehetra kosa mba ho mpitsara matihanina maharaka tsara ny lalao no hitantana izany.
Ankoatra izay, hifanandrina ny STM (Savony) sy ny Cheminot (Besetroka) ary ny Tam sy ny FTBA. Hanokatra ny fihaonana ny lalao eo amin’ny Regional Analamanga, hifandonan’ny Fita II Ano­sizato sy ny Hiza 17 Angaran­garana.

Tompondaka

Partager sur: