Tsy afa-nanohitra : nofohazin’ireo jiolahy ny tompon-trano

Tratran’ny zandary teny amin’ny fokontany Mandrosoa Ivato, ny 27 oktobra 2024 teo, ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana sy famakiana tokantrano iray teny an-toerana. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy rehetra tao an-trano. Mbola renoky ny torimaso ireo tompon-trano, araka ny filazan’izy ireo tamin’ny tatitra voaray avy amin’ny zandary. Nanam-potoana mihitsy ireo olon-dratsy nibatana ny entana rehetra tao an-trano. Tsy vitan’izay fa nofohazin’ireo mba hamoaka ny vola rehetra ny tompon-trano. Tsy afa-nanohitra ireo niharam-boina ka nanaraka ny baikon’ireo jiolahy. Nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa nahazo izay notadiaviny tao amin’ity tokantrano ity. Nanao fanarahan-dia ny zandary ka jiolahy iray vao nahavita sazy dimy taona teny amin’ny fonjan’Antanimora no tratra voalohany. Hita tao an-tranony ny ampahany tamin’ireo entana halatra niaraka tamin’ireo basy kilalao fampitahorany ireo olona tafihany. Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary azy no nahafantarana fa vehivavy iray miantrano ao amin’ireo tompon-trano ihany no niray tsikombakomba tamin’ireo mpanafika. Ity vehivavy nampiantranoin’ny tompon-trano ity indray no niray tendro tamina vehivavy iray hafa mpiray vodirindrina tamin’ireo niharam-boina. Vadin’io jiolahy io ihany no nifandray akaiky tamin’ireo vehivavy ireo, araka ny filazany tamin’ny zandary. Nolazainy fa misy vehivavy hafa mpanome odiratsy (fonoka) ampiasan’izy ireo rehefa manao asa ratsy toy izao. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotoran’ny zandary.

J.C

Partager sur: