VAOVAO TAMBATRA

Tsy mahomby avokoa ny 49,5% amin’ireo orinasa vaovao ao anatin’ny dimy taona voalohany nisiany. Lasibatr’izany avokoa ny 80% amin’ireo mpandraharaha vao misondrotra ka mampitsahatra avy hatrany ny asany. Midika ho fiafaran’ny nofy sy ny tetikasa nanaovana ezaka samihafa ny fanakatonana orinasa iray. Lokan’ady ho an’ny faharetan’ny fandraharahana ireo fanamby ara-toekarena apetraka.

Hanohana sy hanampy ireo mpiantsehatra eo amin’ny famokarana anaty rano sy ny lafiny jono an-dranomasina ny Natura Madagascar sy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Haome tohana sy hampahafantatra ny vokatra azo jifain’ny mpanjifa eto an-toerana sy any ivelany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, amin’ny alalan’ny varotra ana habaka. Hita ao amin’ny tranokala www.tsenavitamalagasy.com ireo vokatra isan-karazany ireo.

Tafakatra 45 900 taonina ny akanjo nafaran’i Madagasikara nandritra ny sivy volana voalohan’ny taona, izany hoe, nitombo 12,5% izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay nilanja 40 500 taonina tamina vanim-potoana mitovy. Ny telovolana faharoa no betsaka ny fanafarana satria nahatratra 21 100 taonina, izay mitentina 129,7 miliara Ar, 10 700 taonina ny telo volana voalohany, raha 14 100 taonina ny telo volana fahatelo

Partager sur: