“Alley Hoop 3×3”: nanjakan’ny Ankoay ny fifaninanana

Nangotraka ny fifaninanana basikety 3×3 “Alley Hoop”, andiany faha-6, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana nokarakarain’ny RDJ ary niarahan’izy ireo niasa tamin’ny Fede­rasiona malagasin’ny basikety. Tsy mbola lefy laza ny ekipam-pirenena Ankoay tamin’ity fifaninanana ity satria nanjaka tanteraka izy ireo, teo amin’ny sokajy nifaninanany. Ho an’ny sokajy Elites, Vehivavy, ekipan’ny Ankoay avokoa no tafakatra famaranana ary nandrombaka ny fandresena ny Ankoay 1 nisy an’i Muriel, i Sydy, i Chine ary i Miora, nanoloana ny Ankoay 2 nahitana an’i Christiane, i Sambatra, i Sarobidy ary i Manoa. Isa 16 no ho 15 no tazana teny amin’ny solaitrabe, tamin’ny fiafaran’ny lalao. Teo amin’ny Elites, lehilahy indray, nandresy ny Ankoay 3 ny Ankoay 1, tamin’ny isa 19 no ho 12. Marihana fa ekipa voafantina avokoa no nandrafitra ny ekipan’ny Ankoay, hanomanana ny “Africa Cup 3×3”, hatao eto Madagasikara, ma­nomboka ny 29 novambra izao. Teo amin’ny sokajy hafa kosa, nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 17 no ho 7, ny Family nanoloana ny Ankoay, teo amin’ny sokajy U23, lehilahy. Teo amin’ny U23, vehivavy kosa, nandrombaka ny amboara nanoloana ny CMT, tamin’ny isa 20 no ho 12, ny Ankoay. Ho an’ny sokajy U17, lehilahy, nahazo ny fandresena nanoloana ny ASSM 1 ny Tamaland, tamin’ny isa 15 no ho 11, raha toa ka ny Les 4 fantastiques kosa no tafavoaka ho tompondakan’ny U17, vehivavy, nanoloana ny Pintade, rehefa nandresy tamin’ny isa 15 no ho 2.

Mi.Raz

Partager sur: