“Ny olom-pirenena tsirairay no manatona ny rantsamangaikan’ny Ceni eny amin’ny distrika, maka ny fanamarinana hoe tsy voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny resaben’ny mpanao politika sasany hoe hangalaram-bato ny fakana didy hitsivolana. Tsy hoe entina mifidy toy ny taloha ny didy hitsivolana fa hahazoana misoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana ihany. Tsy misy toromarika avy amin’ny Ceni hoe atao tambabe ny fangatahana didy hitsivolana. Fangatahana an’olon-tokana hatrany no raisin’ny fitsarana, ary tsirairay koa ny didy hitsivolana azo fa tsy mitambatra. “Tsy tokony hionona isika, fa hanara-maso mandrakariva ny lisi-pifidianana. Rehefa tsy hanara-maso ny tena, ny tena ihany no kaikerin’ny ahiahy ao anaty: mieritreritra olona amin’ny zavatra tsy marina”, hoy izy.
Tany aloha, amin’ny androm-pifidianana no fakana didy hitsivolana hahazoana mifidy rehefa tsy ao anaty lisi-pifidianana. Nataon’ny sokajin’olona sasany ho fitaovana izany. Tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, taona 1990, ohatra: miaramila zazavao nentina tamin’ny kamiao dimy na enina nitety biraom-pifidianana, ary didy hitsivolana no nentin’izy ireo nifidy. Izay biraom-pifidianana nolalovan-dry zareo, nitovitovy avokoa ny tombom-bato azon’ny kandidà voafidy ho ben’ny Tanàna tamin’izany. Ny endri-javatra toy izany no nahatonga ny mpanoratra lalàna hoe tokony hofoanana ny fakana didy hitsivolana amin’ny androm-pifidianana.
R. Nd.