Nifarana ny faran’ny herinandro teo, ny taom-pikatrohana 2024, ho an’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires). Maro ny lesoka tamin’ity taona 2024 ity saingy hiezaka hanatsara, indrindra ny lafiny fikarakarana ny biraon’ny Asief, araka ny nambaran’ny filohany, Andrianarison Jhone Love. Ezaka mitohy ihany koa ny hanenjika ireo mpikarama an’ady, izay saika olana sedrain’izy ireo ny fisian’ny tomponandraikitra ambony eny anivon’ny minisitera na andrimpanjakana mihitsy no mitsabaka sy miaro ireny tsy mpanara-dalàna ireny. Nohamafisiny fa tsy ho ekeny izany satria tsy mifanitsy amin’ny toe-tsaina hitantana ity Asief ity, izay natokana ho an’ny mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisitera sy andrimpanjakana irery ihany.
Mi.Raz