Aza ela fitono vomanga sao lavenona sisa arapaka. Sarin-teny ilazana fa tsy mahazo inoninona ny olona ela fanao zavatra. Betsaka ny azo hanamarinana izany, eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Voakasik’izany avokoa ny ankamaroan’ny taranja misy eto Madagasikara. Anisan’izany ny baolina kitra, raha tsy hilaza mpilalao tokony handrafitra ny Barea de Madagascara. Remy Vita, ela fikenona loatra ny tomponandraikitra ka lasa any amin’ny mpifanandrina izy. Ela fitono vomanga ka lavenona sisa arapaka.
Na izany aza, tsy mora ny manao zavatra. Tsy azo lavina izany saingy hazakazaka ny fiainana ka tsy miaraka amin’ny tsy afaka ny olo-mandroso. Mihazakazaka tratry ny miadana mantsy ny Malagasy, toy ny ela fitono vomanga ka lavenona sisa arapaka. Etsy an-kilany, tsy voaisa amin’ny rantsan-tanana ireo malain-kisahirana. Te hamantam-bonona sy miandry mahazo fotsiny. Mazava ho azy fa tsy misy vokatra ho azo amin’izany mihitsy.
Betsaka ireo tolotra avy any ivelany, hanatsarana ny tontolon’ny fanatanjahantena saingy ny andraso andraso mahariva andro no setriny, toy ny ela fitono vomanga ka lavenona sisa arapaka.
Manontany tena ny betsaka fa toa mihenahena eo an-dalana ity fanatanjahantena ity. Handroso maty raibe, hihemotra maty renibe. Lany andro amin’ny dinika tsy mitondra fanatsarana. Ny mpitantana etsy an-kilany, miteronterona tahaka ny voromaherin’ny Manjakamiadana, manana elatra fa tsy afa-manidina. Ela fitono vomanga ka lavenona sisa arapaka.
Manoloana izany rehetra izany, mahonena ireo atleta. Madio lamba toy ny vorompotsy fa mitsindroka am-pihinana. Misikim-ponitra mafy, manoman-tena saingy sendran’ny tomponandraikitra ela fitono vomanga ka lavenona sisa arapaka.
Tompondaka