Fampiasana angovo azo havaozina : vehivavy 15 nisitraka fampiofanana

Taorian’ny fampiofanana momba ny fandraharahana, nanaraka fiofanana momba ny fikirakirana ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (photovoltaïque) ireo vehivavy 15 isa avy eto amin’ny faritra Anala­manga sy Atsimo Andrefana. Ankehitriny, afaka manangana sy mikojakoja ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy mampiroborobo ny fidiram-bolan’ny orinasa tantaniny izy 15 mirahavavy. Ankoatra izay, hitondra fanavaozana amin’ny fampisana ny angovo madio sy maharitra ary lovain-jafy eo amin’ny fiarahamonina ireto mpisitraka fiofa­nana ireto. Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ho an’ny fampiasana ny angovo madio ary fahaleovantenan’ny vehivavy ny fampiofanana toa izao. Fitaovana iray hahafahana miady amin’ny fandripahana ala sy ny fanimbana tontolo iainana ny fampiasana angovo azo havaozina, fa indrindra ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Fanamby ho an’i Madagasikara ny fampiroboroboana izany.

Henintsoa H.

Partager sur: