Vita sonia ny zoma teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) sy ny Agence BeCom ary ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), ho an’ny fikarakarana ny hetsika voalohan’ny CEO Summit eto Madagasikara.
Tanterahina eto Antananarivo, ny 5 sy 6 desambra, ny fihaonana antampony CEO Summit. Manodidina ny 500 ireo mpandraharahaha manerana ny ranomasimbe Indianina andrasana ho avy mandritra ny hetsika, izay ahitana ireo tale jeneralina orinasa sy mpampiasa vola miisa 350 avy amina firenena 12. Anisan’ireo lohahevitra ho resahina mandritra izany ireo lokanady ara-toekarena sy vina samihafa ho an’ny fampandrosoana aty amin’ny faritra. Mifanindry an-dalana indrindra amin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Sim ny hetsika. Noho izany, hisolo tena ny sehatra tsy miankina eo amin’ny tontolon’ny toekarena izy ireo.
Ankoatra izay, hanampy, hisorohana ireo sakana sy hampirisihina ny fampiasam-bola ary hampiroboroboana ny vinan’ny fandraharahana ny CEO Summit. « Hahafahana mifanakalo hevitra sy hamolavolana ireo paikady iraisana manoloana ny fanamby isam-paritra ny fihaonana », hoy ny filohan’ny Sim, Rasamimanana Tiana.
Fampandrosoana
Hampahafantatra ny firenena malagasy amin’ny alalan’ ny hetsika « Choose Madagascar » ny EDBM amin’ny maha sampandraharaha ho an’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola azy. Omena vahana manokana ny sehatry ny indostria, ny fizahantany, ny fambolena ary ny teknolojia. « Hahafahan’i Madagasikara misitraka ireo tombontsoa eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena ny CEO Summit. Hapetratsika ho ivon’ny fanararaotana ara-toekarena sy ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy i Madagasikara », hoy ny filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny EDBM, Rakotomalala Lantosoa. Nilaza kosa ny mpitantana ny BeCom sady mpikarakara ny CEO Summit fa « ankoatra ny maha fihaonana antampony ny hetsika dia hametrahana ireo fanamby azo tsapain-tanana miorina anatina vina maharitra sy iraisan’ny rehetra ihany koa ny CEO Summit ».
Henintsoa Hani