Fanafihana tao Anosiala : nofatorana ny tompon-trano, voaroba ny volabe

Fahasahiana mihitsy ny an’ireo jiolahy nanafika tokantrano iray teny Anosiala Ambohidratrimo, ny 1 novambra 2024 maraina. Nofatoran’ireo jiolahy ny tompon-trano ka nanjaka tanteraka izy ireo…

Jiolahy telo lahy nandroba tao amina tokantrano iray, tao amin’ny fokontany Am­batomena, kaominina Ano­siala, distrikan’Ambohidra­trimo, ny 1 novambra teo tamin’ ny 3 ora maraina. Nolavahan’ ny olon-dratsy ny tamboho. Nodidiany tamin’ny fitaovana manokana ny “grille de protection” teo amin’ny varavarankely. Anatin’ny torimaso, mora foana ho an’ireo nandroba ny nisambotra ireo fianakaviana tao an-trano. Nofatorana avokoa ireto farany. Nisava­sava nanerana ny trano ary naka ny entana sarobidy ireo telo lahy. Voaroba ny firavaka, niampy finday niisa telo. No­terena hamoaka ny vola ny lasibatra. Vokany, nentin’ny jiolahy koa ny vola nitetina 1 200 000 Ar.

Lasany ny basy…

Ankoatra ireo, noraofin’ ireo telo lahy tsy nisy nisaron-tava ny ordinatera sy fakan-tsary. Nalain’ireo tsy valahara koa ny fitaovam-piadiana “Pis­tolet automatique” iray. Voa­roba niaraka amin’ny bala “7,62 mm” miisa 20. Nampan­dre ny manam-pahefana avy hatrany ny lasibatra. Naka alika mpitsongo dia koa hanatrarana ireo nahavanon-doza. Hatreto, anatin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Tsy misy ahina ny ain’ireo fianakaviana niharan’ny fandrobana. Nanana fotoana maharitra mihitsy ireo olon-dratsy nandoahana ny tamboho. Ani­san’ireo faritra ahitana trangana tsy fandriampahalemana matetika ao amin’ny kaominina Anosiala, Ambohidratrimo, na eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: