Fanondranana jirofo : miisa 108 ireo nahazo fahazoan-dalana

Mitotaly 108 ireo mpandraharaha nahafeno fepetra sy nahazo fahazoan-dalana (agrément) hanondrana jirofo, ho amin’ny taom-panondranana 2024-2025, araka ny lisitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic). Hita tao anatin’izay fa miisa 38 ireo tafiditra ao anatin’ny sokajy indostria raha toa ka 70 kosa ireo voasokajy ho « artisan ».
Manankery mandritra ny taom-piotazana jirofo 2024-2025 ny fahazoan-dalana ho an’ireo sokajy indostria raha toa mijanona ho an’ny taom-piotazana 2024 kosa izany ho an’ny sokajy « artisan ». Noho izany, afaka maka ny fanamarinam-pahazoan-dalana eny amin’ny biraon’ny minisitera, Ambohidahy, ireo mpanondrana jirofo voasoratra anaty lisitra ao anatin’ny 15 andro.
Mampidi-bola

Mitana ny laharana faharoa amin’ireo vokatra fanondran’i Madagasikara, ny jirofo. Anisan’ireo mampidi-bola va­hiny aorian’ny lavanila izy. Maherin’ny18 000 ireo mpamokatra jirofo manerana ny Nosy ary mahatratra hatrany amin’ny 70 000ha ny velaran-tany hambolena azy, izay misandrahaka any amin’ny faritra avaratra sy atsimon’ny Nosy. Fantatra fa anisan’ireo toerana mpamokatra jirofo ny faritra Analanjirofo ary mpandray ny vokatra avy eto Madagasikara ny firenena Indianina, Indo­ne­sie, Singapour ary ny any Europe.

Henintsoa H.

Partager sur: