Fifanolanana ara-tany ao Nosy-Be : ahina ny kolikoly ao amin’ny fitsarana

Velon-taraina ireo manana olana ara-tany any Nosy Be ka niakatra teny amin’ny fitsarana raha ny nambaran’ireo niharan’izany. Anisan’izany ny tompon’ny tany, i Charles, raha nilaza fa nandresy hatrany izy ireo tamin’ireo raharaha ara-pitsarana nifanolanany amin’ ireo mibodo ny taniny ao amin’ ny fokontany Ambonara. “Nof­oanan’ny fitsarana avokoa anefa ireo didim-pitsarana rehetra efa nivoaka tany aloha ka mahagaga anay”, hoy izy. Nanteriny fa misedra olana vokatry ny fanaparam-pahe­fana sy ny tsindrihazolena in­drindra fa ny kolikoly eo ani­von’ny fitsarana ao Nosy-Be ny tompon’ny tany. Notsiahi­viny fa ampahany amin’ilay tany anjaran’ny renim-pianakaviana iray, efa namoy ny ainy ka ny zanany no mandova izany. Bodoin’ireo mpanao tsindrihazolena sy mahitahita ireo tany rehetra ireo, araka ny nambarany. “Efa nandeha ny raharaham-pitsarana rehetra ary nivoaka mpandresy hatrany ilay tena tompon’ny tany, teny amin’ny fitsarana ambara­tonga voalohany ary nampiakatra ny raharaha ilay mibodo ny tany saingy mbola nandresy hatrany ireo mpandova ny tany io, araka ny taratasy”, hoy izy. Nanteriny fa efa nanaraka akaiky izao raharaha izao ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, Ran­driamanan­tenasoa Landy Mbolatiana. Efa nanome ny taratasy fa tsy mitom­bina ny fibodoana tany natao amin’ireo mpandova ireo, araka ny nambarany hatrany. Niova izany ka nofoanan’ny fi­tsarana avokoa ireo didim-pi­tsa­rana rehetra efa nivoaka tany aloha. “Efa nandresy hatrany izahay nandritra ny fitsarana rehetra nifandimby ary anananay avokoa ireo tara­tasy manamarina izany saingy izao ny zava-misy ka anairana ny fitondram-panjakana”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: