Fihezama: nahomby ny “Critérium National”

Tontosa araka ny tokony ho izy ny “Critérium National”, teo anivon’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy), izay natao teny amin’ny Kianja mitafo Andra­lanitra, ny zoma 1 novambra teo. Nambaran’ny filohan’ny Fihezama, Rako­tovao Jac­ky Raymond, fa fahombiazana tanteraka iny hetsika iny, izay nahitana fandraisan’anjaran’ny mpikatroka 1200. Taranja haiady isan-karazany sy taranja iraisana toy ny basikety no naseho sy nifaninanana, ka notoloran’ny Fihezama fankasitrahana sy mari-pahatsiarovana ireo nandray anjara. Hotohizana ny hetsika toy izao ho famerenana indray ny firaisankinan’ny mpanao fanatanjahantena ary indrindra hanairana ireo taranja ma­to­ritory. Nano­hana ny “Critérium Na­tional” ny mi­nisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, izay nisoloan’ny DSSD (Direc­teur sport-santé et développement) eo anovon’ny MJS, Rajo­hanesa Brice Harinirina, tena. Nam­barany fa rehefa misy ny finiavana hampandroso ny tanora sy ny fanatanjahantena toy izao dia manohana foana ny minisitera.

Mi.Raz

Partager sur: