Ratsy fanombohana ny Akio de Madagascar, taranja handball, sokajy cadet, teo amin’ny fiadiana ny “IHF Trophy”. Resin’i Cameroun ry zalahy tao amin’ny vondrona “A” nisy azy. Faharesena mametraka ny Malagasy eo amin’ny laharana farany, ho an’ity sokajy ity.
Faharesena avy hatrany no azon’ ny Akio de Madagascar, sokajy U18, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny “IHF Trophy”, taranja handball. Fifaninanana tanterahina any Ethiopie. Resin’i Cameroun, tamin’ny isa 46 no ho 30, ry zalahy, omaly, ho an’ny sokajy “A”. Niady ny lalao teo amin’ny 15 mn voalohany. Nifanakaiky mantsy ny isa na dia nitarika hatrany aza ry zareo kameroney. 4 no ho 2 avy eo nosahalain’ny Malagasy nahitana an-dry Felicien, kapitenin’ny ekipa, teo koa i Dolin, Fenosoa ary i Malidi Fernand. Nifanenjehana hatrany ny isa ary tonga hatreo amin’ny 10 no ho 9 saingy nanomboka teo nitsoaka tsikelikely ry zareo kameroney, ka lasa 16 no ho 10. Niezaka namaly ihany ny Akio saingy betsaka ny fahadisoana nataon’izy ireo sy ny fanafihana verivery fotsiny. Nanao be fiditra ihany koa ny kameroney, izay nanantombo teo amin’ny haben’ ny vatana. Ankoatra izay, tsy nisy voasakan’i Tombo, Malagasy mpiandry tsatoby ny tifitra nataon’izy ireo. Teo am-pialantsasatra, nitarika tamin’ny isa 23 no ho 11 i Cameroun.
Fizaram-potoana faharoa, nanandrana nanao fiarovan-tena ambony ny Akio saingy hain-dry zareo kameroney ny niala tamin’izany. Nianona tamin’ny valim-panafihana fotsiny ny Akio.
Na teo aza izany, nahatafiditra baolina hatrany i Cameroun. Tsy nijanona mihitsy izany raha tsy 46 no ho 30. Mametraka ny Akio eo amin’ny laharana farany ity vokatra ity satria resin’i Guinée, tamin’ny isa 31 no ho 29, i Cameroun, ny sabotsy lasa teo. Hifandona amin’ny gineanina ny Akio, anio. Mila mitady fandresena raha mbola te hanohy ny dia.
Tompondaka