Tontosa ny sabotsy teo ny fametrahana vato fototra hanorenana ny trano lehibe “Abri communautaire à usage multiple” (ACUM), any amin’ny fokontany Ambokala Manakara. Fotodrafitrasa natokana handraisana ireo traboina vokatry ny loza voajanahary toy ny rivodoza, ny tondradrano sy ny maro hafa mety hahazo azy ireo izy ity. Hahazaka olona 1000 mahery io trano lehibe io rehefa vita.
Ankoatra izay, nitsidika ny akany famonjena tany Manakara ny minisitry ny Mponina sy firaisankina, Razafinjato Aurelie, izay tonga nanatrika izany tany an-toerana. Nivimbina fanampiana ho an’ireo zaza kamboty taizaina ao, toy ny kidoro sy tohana ara-tsakafo koa izy. Tanjona ny hampiroboroboana ny maha olona indrindra ho an’ireo sokajin’olona marefo. Nisy ihany koa ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa andalam-panamboarana any an-toerana, toy ny seranan-tsambo sy ny gara FCE. Ankoatra ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, tonga tany ihany koa ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery. Nanampy izany ny Solombavambahoaka mianadahy voafidy tao Manakara ary ireo manam-pahefana maro.
Mino