Loza iray, loza roa…

 

Ny famatsian-jiro sy rano no tena manahirana ny vahoaka amin’izao? Loza iray, fa mahatonga loza hafa: roa, telo… Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana. Tsy vitan’ny hoe tsy filaminana ihany no entin’ny fahatapahan-jiro lava sy matetika, eo koa ny fitaintainana amin’izany mety ho vokatry ny hetsika fanehoan’ny mponina ny tsy fahafaliana: efa nisy niafara tamin’ny fanimban-javatra. Fa tsy milamina koa ny seha-pihariana miankina amin’ny herinaratra: miteraka fatiantoka, fahavoazana, fahapoteham-piainana… Miara-dalana amin’izany ny fianaran’ny mpianatra an-kilahila be ihany. Hanao ahoana? Midona amin’ny fahasalamana sy ny fomba fiaina ankapobeny isan’andro koa ny tsy fahatomombanan’ny famatsian-drano.
Inona no ho fampandrosoana hisy sy fanovana amin’izany? Ny rano filana fototra sy ny angovo enti-miasa aza manahirana. Efa tena miezaka amin’ny famahana olana ny fitondram-panjakana, na ny fohy ezaka na ny lavitra ezaka. Ho an’ny vahoaka, tamberin’andraikitra amin’ny famahana olana no zava-dehibe sy maika aminy. Izay rahateo no nampindramany fahefana sy antom-pisian’ny fanjakana: mamaha olana, mahatsinjo mialoha izay mety hitranga. Vahaolana mahomby no ilaina, azo antoka, maharitra. Tsy izay hampitony vahoaka, fa izay tena mampandroso azy sy tsy hisian’ny olana miverimberina. Miara-dalana ho azy amin’izany ny fifampitokisana fa ho an’ny vahoaka tokoa no antom-pisian’ny fanjakana.
Misy manahy korontana eny anivon’ny fiarahamonina sasany amin’izao? Rehefa miotrika ela ny lonilony, ny alahelo, ny fahatezerana… Mipoaka amin’ny tsy ampoiziana? Loza iray, loza roa… Aleo misoroka izay azo sorohina. Mila mijery lavitra, fa jerena akaiky koa izay tena mahazo ny vahoaka sy ny hetahetany. Hetahetan-drano tsy afa-dronono?

R. Nd.

Partager sur: