Nanao fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly, i Belalahy Hanitriniana. Niainga avy amin’ny toromariky ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis izany ka nampahatsiahivina ny vina sy ny tanjona.
Nambarany tamin’izany fa hametraka ny mangarahara sy ny rariny ary ny fahamarinana ny eo anivon’ny minisitera, hananan’ny vahoaka ny fitokisana ireo rafi-pitsarana. Ao anatin’izany ny fankasitrahana ireo niezaka nanao tsara ny asany. “Harahi-maso sy andraisana fepetra kosa ireo tsy niasa araka ny tokony ho izy na koa ireo niasa ka nifanohitra amin’ny tanjona nomena izany”, hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny hapetraky ny minisiteran’ny Fitsarana hatrany ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanjakana tan-dalàna. Tanjona ny hametrahana fitsarana manakaiky vahoaka sy marina ary mahomby ka hositrahin’ny rehetra, araka ny nambarany. Anisan’izany ny fanajana ny maha olona sy ny marina. Hohamafisina hatrany ny fepetra hentitra iadiana amin’ny kolikoly ary hotohizana ny ezaka amin’ny fananganana fitsarana isaky ny distrika, ny fampitomboana isa ny fonja mba hisitrahana ny zo maha olona.
Hafainganina ny fitsarana ireo voafonja
Hohafainganina koa ny fitsarana ireo voafonja, nefa tsy mbola voatsara… Eo koa ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra ary ny fandraisana ny fanohanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy vola (PTF) ka mifanaraka amin’ny filan’ny minisitera. Eo koa ny amin’ny fahaiza-manao.
Etsy andaniny, nambarany fa tsy mikely soroka ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra samihafa, toy ny filankevitra ambony ny mpitsara, ny sendikà, ny andrimpanjakana, ny fiarahamonim-pirenena…
Notsindriny fa hamafisina ny vina sy ny fanavaozana entin’ny minisitera hametrahana rafi-pitsarana azo itokisana. Niantsoany ny fiaraha-mientan’ny rehetra anefa izany.
Synèse R.