“Raha ny tahan’ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ ny fanapahan-kevitra amin’izao: 12 amin’ireo minisitra 29 na 41,6% ao anatin’ny governemanta, 27 amin’ny depiote 163 na 16% ao amin’ny Antenimierampirenena”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Filankevi-pirenen’ny vehivavy eto Madagasikara (CNFM), Andriamasy Marie Estelle, tamin’ny atrikasa nandinihana ny hampiakarana hatrany ny tahan’ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny fanapahan-kevitra sy fitantanana. Niarahana tamin’ ny Pnud sy ny Vondrona afrikanina (UA), teny Ambodivona, ny herinandro teo, izany. Vehivavy mpitarika 60 isa no nandray anjara, nahitana minisitra, depiote, mpitarika firaisamonina sivily, mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankana… Miisa 327 amin’ ny kandidà 5 389 na 6% kosa ny vehivavy mirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna amin’izao. Nahitana fiakarana izany raha ny taom-piasan’ny ben’ny Tanàna teo aloha, izay 5% ny kandidà ho ben’ny Tanàna ary 5% koa ny vehivavy ben’ny Tanàna.
Sarotra be ny tonga dia mahita vokatra misongadina be manelanelana ny fotoam-piasan’ny ben’ny Tanàna na depiote amin’ny fitakiana amin’ny fampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny fanapahan-kevitra. “Efa ifaliana rehefa misy ny fiakarana, na kely aza. Satria tena ezaka lehibe ny tao ambadik’izay. Izay no ezahina hotazonina”, hoy izy. Ahoana koa ny hahamaromaro ny vehivavy ho voafidy amin’ireo mirotsaka ho ben’ny Tanàna? Fifidianana eny ifotony, eny anivon’ny kaominina, io. Zava-dehibe ny fiakaran’ny taha 1% teo aloha.
R. Nd.