Nivoaka ho mpandresy nanoloana ny FTM Manjakaray (Dakar) ny Cosfa (Bebaoty), nandritra ny andro fahasivy hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12 Mada”. Fihaonana nanalan’ny miaramila vela, tamin’ity indray mitoraka ity.
Notanterahina teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny andro faha-9 hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny maro tamin’ity ny fifandonan’ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa (Bebaoty). Tafavoaka ho mpandresy tamin’ny isa, 38 no ho 22, ny miaramila, tamin’ity ary afaka ny velany nanoloana an-dry zareo Dakar.
Niady ny fihaonana hatreo amin’ny minitra faha-60. Avy hatrany dia niditra mafy ny Bebaoty, notarihin’i Maxime, i Ginot sy ry Gervais ka vao 10 mn nanombohana dia efa nitarika tamin’ny isa 10 no ho 0 ry zalahy rehefa nahatsara “hors jeu” iray sy “essai” iray ihany koa. Taorian’io vao nanenjika sy nanao totoafo ny FTM ka nampihena ny isa ho 10 no ho 9, taorian’ny “coup de pied de penalité” roa sy “drop goal” iray matin’i Koroka. Samy niezaka nampiseho ny fahaiza-manaony ny andaniny sy ny ankilany. Manjakaray nampiasa ny tolotolotra haingam-pandeha niainga tao amin’i Julio nampian-dry Xavier sy Romeo, saingy tsara ny fiarovantenan’ny miaramila ka tsy vakin-dry zalahy. Teo am-pialantsasatra dia efa nitarika tamin’ ny isa, 20 no ho 16 ny Bebaoty.
Hita ny fahabangan’ireo tompon-toerana
Fizaram-potoana faharoa, nanafaingana ny lalao ny Manjakaray ka nifanakaiky indray ny isa teny amin’ny solaitrabe, izay lasa 22 no ho 19. Tsy nilefitra tamin’izany anefa ny miaramila fa vao mainka nanao totoafo ny fanafihany. Hita lesoka teo amin’ny FTM Manjakaray ny tsy fahampian’ireo mpilalao tompon-toerana ao aminy, toa an’i Lahatra, Hery ary i Sitraka. Hain’ny miaramila ny nanararaotra izay fahabangana teo amin’izy ireo izay. Nisesy, araka izany, ny baolina nentin-tanana vitan’izy ireo. Tetsy an-kilany, “hors jeu” iray sisa ny hany matin’ny FTM Manjakaray.
Mitarika eo amin’ny filaharana izany ny Cosfa raha faharoa ny FTM. Teo amin’ny vokatra hafa resin’ny Cheminots, tamin’ ny isa 28 no ho 19 ny STM ary ny Tam nanilika ny FTBA, 55 no ho 14.
Tompondaka