Sombim-baovao

Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, fa hanainga ny alarobia ho avy izao, ho any Ghana, ny ekipam-pirenana malagasy, Makis Ladies. Hiatrika ny fifaninanana afrikanina ho an’ny rugby lalaovin’olona fito izy ireo, ary hiady ny tapakila hifaninanana any amin’ny World Series.
Fantatra avokoa ny anaran’ireo ekipa efatra tafita amin’ny manasa-dalan’ny « Grand tournoi Antananarivo (GTA) », taorian’ny ampahefa-dalana izay natao omaly, tetsy Iavoloha. Anisan’izany ny Ajesaia Bongolava, ny Avenir Ste Anne, ny Cosfa ary ny Ajesaia. Araka izany, ny ekipan’ny Avenir Ste Anne hidona amin’ny CFFA, eo amin’ny manasa-dalana. Ary ny Cosfa hifanandrina amin’ny Ajesaia.
Nilaza ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny zoma lasa teo, tetsy Ankorondrano, fa efa mandeha eny amin’ny fitsarana an-tampon’ny Caf, ilay fitoriana nataon’izy ireo mahakasika ilay lalaon’ny Barea de Madagascar sy i Gambie. Efa anisan’ireo valin’ny fitoriana natao ny nanoloana ny mpitsara, amin’ny fifanandrinan’i Madagasikara sy i Tunisie, ny 14 novambra ho avy izao, any Afrika Atsimo.

Partager sur: