Nitrangana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana tao amina tokantranona teratany vahiny iray manambady vehivavy teratany malagasy, tao amin’ny fokontany Sengaloka, kaominina sy distrikan’ Ambilobe, ny 2 novambra 2024 alina. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany ao Sengaloka ny zandary momba ny fisian’ity trangana fanafi-hana mitam-piadiana ity. Voamarina tokoa ny fisian’izany nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny zandary tao amin’ ity tokantrano ity. Ny sabotsy
2 novambra 2024 tolakandro, nividy fitaovana fanamboarana trano tao amina magazay iray ao Ambilobe ity teratany vahiny ity sy ny vadiny niaraka tamin’ ireo mpitondra posy nokaramain’izy ireo hitondra ny entany. Ny sabotsy alina, nisy koranam-pianakaviana nataon’izy mivady niaraka tamina fianakaviana vitsivitsy tao an-tokantranon’izy ireo. Tao anatin’io fety io anefa no tonga tampoka ny jiolahy nisaron-tava niaraka tamin’ny zava-maranitra nanafika ny tompon-trano sady nangataka vola. Vokany, lasan’ireo mpanafika ny vola 4 500 euros tao anaty poketra. Tsy vitan’izay fa noratrain’ireo olon-dratsy ny dimy tamin’ireo olona tao an-trano ka anisan’ izany ilay teratany vahiny, voatsatoka antsy teo amin’ny lamosiny. Nentina namonjy hopitaly ireo naratra. Nitohy kosa ny fanarahan-dia nataon’ ny zandary ka jiolahy roa no tratra tao Antafiankasaka Ambilobe, omaly tamin’ny 4 ora sy 45 mn maraina. Ireo mpitarika posy nitondra ny entan’izy mivady ihany no tompon’antoka niaraka tamina jiolahy hafa nanafika azy ireo. Mitohy ny fanadihadiana.
J.C