Tafatsofoka tao ambany fiara ireo olona voadonana teny Ambohimiandra, omaly hariva. Ahina mafy ny fahasalaman’izy ireo raha ny vaovao voaray farany. Vokatry ny fandehana mafy no voalaza fa antony nahatonga ny loza.
Azon’ny miaramila teny am-pelatanan’ireo malaso, ny faran’ny volana oktobra 2024 teo, ny zazakely nisy nangalatra tao Malitsy, kaominina ambanivohitr’Isaka, distrikan’i Taolagnaro. Niroso tamin’ny fikarohana ny miaramila avy ao amin’ny Tafika ka tratra ny dahalo nitondra ity zazakely ity.