Nitrangana haintrano goavana indray tao Behoririka Tsiazotafo, ny sabotsy misasakalina teo. Tranohazo roa niaraka tamina fiara nipetraka tao anaty garazy indray nirehitra. Nijoalajoala tanteraka ny afo nandritra ny firehetana. Fiara roa no indray kilan’ny afo saingy may tamin’ny ampahany ny fiara iray faharoa. Ravan’ny afo ny tranohazo iray raha rava tamin’ ny ampahany kosa ny trano iray faharoa. Fotoana fohy taorian’ ny firehetana, tonga teny an-toerana nanao ny asa famonjena voina ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina. Nifanome tanana tamin’izany ny mpamonjy voina avy ao amin’ny Caserne Tsaralalana sy ny avy ao amin’ny Caserne Andravoahangy. Naharitra adiny telo ny famoana ny afo, voafehin’ ireo mpamonjy voina ny firehetana ka tsy nihitatra tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina. Tsy nisy, araka izany, ny naratra na aina nafoy nandritra ity firehetana ity. Tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto ny antony nahatonga ny loza fa raha ny tombana ivelany, araka ny fanazavan’ny mpamonjy voina, ahina ho fipoahana herinaratra no nitarika ny firehetana. Tombana ihany anefa izany fa ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana no mamaritra ny marina rehetra momba ity raharaha ity.
J.C