Niverina nihazo an’i Paris, omaly, ilay fiaramadina AF 934 an’ny kaompania Air France, raha tokony ho nigadona teto Antananarivo tamin’ny alina. Mbola tsy fantatra ny anton’ny zava-misy saingy andrasana ny vaovao mahakasika izany. Tsiahivina
fa niainga tao amin’ny seranam-piaramanidinna Charles de Gaulle, omaly tamin’ny 11ora latsaka fahefany, ora any Paris, ary tokony ho nigadona
teny Ivato, tamin’ny 12 ora latsaka fahefany alina ny sidina.
Tafakatra 2 758,49 dolara ny once ny volamena. Hiantraika mivantana eo amin’ny sehatry ny toekarana izao fiakarana izao noho ny zava-misy iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izay ny fifidianana filoham-pirenena amerikanina sy ny ady misy ao Moyen-Orient. Anisan’ny niakatra 12% ihany koa ny vidin’ny palladium tao anatin’ny roa andro raha toa ka efa tafakatra hatrany amin’ny 1 210 dolara ny once nanomboka ny taona 2023.
Miisa 2 100 ireo zana-trondro karpa sy tilapia nozaraina tamin’ireo mpiompy trondro avy ao amin’ny fokontany sy kaominina Ambalasoa, dsitrika Betroka. Tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny DRPEB Anôsy sy ny fandaharanasa Afafi Sud. Tanjona ny hampiroborobo ny fiompiana trondro sy ho fampidirana ny sehatra ho anisan’ireo asa velon-tena hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.