Miseho isan-taona ny tsy fahampian’ny akora fototra fanamboarana provandy, toy ny katsaka. Anisan’ny voakasik’izany ny fiompiana akoho manatody lava sy fakana nofo.
Misedra olana ny seha-pihariana akoho! Tsy ampy ny akora fototra atao sakafo, indrindra ny katsaka. Araka ny antontanisa avy any amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, nihena ho 260 000 taonina ny vokatra tamin’ny taona 2023 raha efa tafakatra 500 000 taonina, ny taona 2008. Toraka izany koa ny soja, anisan’ny sakafo fototra ilaina amin’ny fanamboarana provandy ihany koa, nefa hafarana avy any ivelany ny 95%.
Ankoatra ny fihenan’ny akora fototra, tsy miova ihany koa ny tahan’ny fanjifana ny akoho, tsy mihetsika ho 2,5 kilao isan’olona isan-taona, sy ny fanjifana atody izay mijanona ho 20 isan’olona isan-taona monja. Atsy Afrika, Mahatratra 16,5 kilao isan’olona, isan-taona ny fanjifana nofon’akoho, raha 42 ny atody ohanin’ny isan’olona isan-taona.
Manoloana ireo, nihaona tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François Sergio, ny solontenan’ny mpikambana ao anatin’ny Fiombonan’ny matihanina mpiompy akoho (IPA) eto Madagasikara, omaly. Fotoana nikaonan-doha sy nifampizarana ireo paikady sy tetikady hanatsarana ny fiompiana akoho fakana nofo sy mpanatody lava eto Madagasikara. Tanjona ny fampivoarana ity seha-pihariana ity sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ka hampitomboina ny tahan’ny fihinanana proteina.
Famokarana masomboly
Nambaran’ny minisitra fa efa karohina ny vahaolana maharitra hampiroboroboana ny seha-pihariana akoho. Mahakasika ny fanatsarana sakafom-biby, hisy ny fihaonana amin’ireo mpisehatra rehetra ao amin’ny lalam-pihariana, hampitomboina ny famokarana ny masomboly mahatanty ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny velaran-tany midadasika. Tafiditra ao anatin’ny fampivoarana ny famokarana eto amintsika rahateo izany, mba hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena.
Njaka Andriantefiarinesy