Andranomena : fiara roa kilan’ny afo

Fiara roa hotohoton’ny afo teny Andranomena, ny alin’ny alahady teo tamin’ny 9 ora sy fahefany alina. Mirongatra ny trangana fahamazaina trano tato ho ato. Naharay antso ny mpamonjy voina. Nigadona tao an-toerana nitrangan’ny loza izy ireo tamin’ny 9 ora sy 27 minitra. Nanao sarotra ny fifehezana ny afo noho ny fisiana fiara lasibatry ny firehetana. Nalaky niredareda ny afo noho ny fisian’ny solika tanatin’ny fiara. Niparitaka tamin’ny toerana manodidina io afo io. “Conteneur” lehibe iray koa kila forehitra. Nanao izay ho afany namono ny afo ny mpamonjy voina ka voafehy izany tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Voamarina tamin’io fotoana io, may tanteraka koa ny tranon-jiro miisa roa. Hatreto, tsy fantatra mazava ny antony niteraka ny firehetana. Ahin’ireo manodidina ho fifampikasohan’ny herinaratra izany. Mari­hina, nitrangana haintrano nahatsiravina koa teny Tsiazotafo-Behoririka, ny faran’ny herinandro teo. Trano hazo roa rotiky ny afo, tamin’ny misasakalina. Nihitatra io afo io ka may tanteraka ny fiara iray tsy lavitra raha toa ka voakasika ny ampahan’ny fiara iray hafa. Tsy nisy aina nafoy nandritra ireo voina tamin’ny toerana roa samihafa ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: