Famokarana lohamenaka: mihatsara ny kalitao sy ny habe-tsaky ny vokatra

Tsara ny vokatra azo avy amin’ny famokarana lohamenaka tao amin’ny faritra Manakara, taorian’ny andrana natao tamin’ny alalan’ny fanatsarana ireo teknika sy famaritana ireo angovo fampiasa fitaovana fakana ilomenaka.

Mahavelombolo ny vokatry ny andrana natao tamin’ny famokarana lohamenaka ao Manakara. Nihatsara ny kalitao sady nihabetsaka ny vokatra. Voaporofo ihany koa fa vahaolana ara-toekarena sy manaja ny tontolo iainana ny fampiasana ireo sisa tavela tamin’ny fitaovana fakana ilomenaka (distillation). Noho izany, vonona hanohana ny fanitarana ny fampiasana ny teknolojia hanatsarana ny vokatra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic) sady hiara-kiasa akaiky hahombiazan’ny tetikasa.
Samy afapo ny rehetra nandritra ny fifanakalon-kevitra momba ny vokatra azo tamin’ny andrana natao tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo teknika sy famaritana ireo angovo fampiasa amin’ny alambika ny lohamenaka tao amin’ny faritra Atsinanana. Fihaonana niarahan’ny vondron’ireo mpandraharaha mpanondrana lohamenaka eto Madagasikara (Gehem Gie) sy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny minisitera izay miara-miasa amin’ny tetika Pic Madagascar, ny herinandro teo.

Mitotongana
Anisan’ireo mamokatra karazana lohamenaka maherin’ny 30 tsara kalitao indrindra maneran-tany i Madagasikara. Tao anatin’ny telo taona, 1,3% monja amin’ny filana maneran-tany sisa no vokatra avy eto an-toerana, araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Mitotongana ny vokatra malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Olana sedrain’ireo orinasa mpamokatra ny fahasarotan’ny rafitra mifehy ny lalàn’ny famokarana. Nilaza ny Banky iraisam-pirenena tao anatin’ny fanadihadiana nataony fa maherin’ny 20% ireo orinasa madinika sy salantsalany no nisedra olana tamin’ny fahazoan-dalàna. Hiantraika mivantana amin’ny toekarena malagasy ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny famokarana. Nisy ny dinika momba ny lohamenaka natao ny volana mey teo. Hetsika nitondrana fanazavana amin’ny antsipirihany momba ny rafitra mifehy ny orinasa mpamokatra.

Henintsoa Hani

Partager sur: