Fanjifana: 95 000 taonina ny tahirim-bary

« Ampy ho an’ny mpanjifa ary ahafahana miatrika ny vanim-potoanan’ny maitsoahitra ny tahirim-barintsika », hoy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Razanakoto Isidore. Ankehitriny, manana tahirim-bary fotsy milanja 95 000 taonina isika. Mifangaro amin’izany ny vary nafarana sy ny vokatra avy eto an-toerana. Mbola andrasana ihany koa ireo 79 000 taonina ho avy voaray. Manome toky ny mpanjifa ity tomponandraikitra ity ka nilaza fa « tsy atahorana ny fahatapahan’ny famatsiana ary misokatra ho an’ny fanafarana hatrany ny tsenan’i Inde ».
Na izany aza, tsy tafiditra ao anatin’io tahiry io ny famokarana vary akotry eto an-toerana. Samy hafa ihany koa ny vidiny eny an-tsena arakaraka ny masonkarena.
Noho izany, manara-maso akaiky ny zotran’ny fitsinjarana (circuit de distribution) ireo tomponandraikitra. Manentana ireo mpivarotra ihany koa ireo kaomisera mba hitsinjo ny mpiara-belona fa tsy hanararaotra sy hampiakatra tsy ara-drariny ny vidin’entana.
Ankoatra izay, manara-maso sy mandray ireo fepetra hisorohana sahady ny vanim-potoanan’ny maitsoahitra ny minisitera. Notsindriany manokana fa anisan’ny manararaotra sy mampiakatra ny vidin’entana, indrindra ny vary, izay foto-tsakafon’ny Malagasy io vanim-potoana io ny mpivarotra. Ankilany, mangataka ny hahamarin-toerana ny vidim-bary ny mpanjifa manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana. Tokony ho faritana manokana, hoy izy ireo, ny vidin’ny kilao hitsinjovana ny rehetra.
Tsiahivina fa nisokatra nanomboka ny volana oktobra teo ny fanafarana vary avy any Inde raha mbola nihidy izany teo aloha.

Henintsoa H.

Partager sur: