Nomarihina tamin’ny alalan’ny fametrahana fehezam-bonikazo teny amin’ny Fasan’ny maherifo, Avaratra Ambohitsaina, ny 4 novambra, nahaterahan’ ny amiraly Ratsiraka. Tonga teny an-toerana ny sasany amin’ireo mpikambana eo anivon’ny Arema. Nomarihina tamin’ny fanehoana an-tsary ny tantarany kosa izany tany Vatomandry.
Nanambara ary nanamafy i Clemence Raharinirina fa kandidà mpanolotsaina miaraka amin’ ny lisitra Tim, tarihin’ny kandidà Ravalomanana Tojo, amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo. “Nanampy ahy izy rehefa tratry ny antsojain’ny TGV sesilany aho. Niantso ny Tim aho mba hifanohana satria ny firaisankina no hery”, hoy izy.
Mandinika sy mandravona ireo hevitra rehetra momba ny ady amin’ny kolikoly, niainga amin’ny fakan-kevitra hatrany amin’ny faritra ny komity mpamolavola ny paikady vaovao iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC). Notanterahina teny amin’ny foiben’ny Arai izany ka nambaran’ireo nandaha-teny fa midika ho efa firosoana amin’ny lalindalina.
Anisan’ny foto-kevitra ijoroan’ny kandidàn’ny Firaisankina ao Manakara, i Mahazomora Romario, ny fijerena ny maha olona aloha. “Aorian’izany vao fotodrafitrasa… Manana vahaolana isika matoa mirotsaka hofidina…”, hoy izy raha nihaona tamin’ny fikambanana ara-drazana Onjatsy.