Kaompania Air France: miato vonjimaika ny sidina manodidina ny ranomasina Mena

« Ho fanarahana ny fitsipika sy ho fitandremana dia nanapa-kevitra ny hampiato vonjimaika ny sidina manerana ny faritry ny ranomasina Mena ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Air France », araka ny fanambarana nataony. Noho izany, niova ny lalan’ny sidina sasany. Nisy tamin’ireo fiaramanidina no afaka nihodina sy niverina tany amin’ny seranam-piaramanidina niaingany, hoy hatrany ny fanazavana. Voakasika tamin’izany ny fiaramanidina AF934 niainga tao amin’ny seranam-piaramanidina Char­les de Gaule, tao Paris, saika hamonjy an’Anta­nanarivo. Toy izany koa ny AF814 niainga tao Paris hamonjy an’i Nairobi. Hatra­min’izao, mbola ny kaompania Air France no nandray izao fepetra izao raha mbola manohy ny sidina eny amin’ny faritra voalaza kosa ny kaompania hafa. Tsiahivina fa nahatsikaritra hazavana ma­miratra teo ambonin’ny faritra Soudan ny fiaramanidina AF 934 ny alahady teo ka nahatonga azy nihodina sy niverina avy hatrany tany Paris. Tsy voafaritra mazava ity hazavana mamiratra ity saingy mbola andrasana ny fanazavana mahakasika izany.

Henintsoa H.

Partager sur: