Laboratoara fitiliana sakafo : vitsy ireo nahazo fankatoavana iraisam-pirenena

Manodidina ny 40 ireo laboratoara fitiliana momba ny sakafo eto Madagasikara. Iray amin’ireo ihany ny nahazo fankatoavana iraisam-pirenena afaka manao izany, raha ny fanazavana voaray. Vokany, tsy maintsy alefa any ivelany ireo sakafo tsy voatily noho ny fahavitsian’ny laboratoira miasa eto an-toerana.
“Mampitombo ny masonkarena, indrindra eo amin’ny tontolon’ny varotra, ny fahavitsian’ny laboratoara, raha ny fanazavana voaray. Misy sarany ny fitiliana sy ny fivoahan’ny entana miala eto an-toerana mankany ivelan’i Madagasikara. Mahatratra 5 hatramin’ny 10 avo heny ny saran’ny fitiliana raha alefa any ivaleny”, hoy ny filohan’ny Consortium de laboratoires agroalimentaires de Madagascar (Clam), Andria­malala Rajoelisoa, raha nanontaniana. Manoloana izany zava-misy izany, efa misy ny ezaka ataon’izy ireo hanofanana ireo mpikambana eo anivon’ny Clam, hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Hatramin’izao, manodidina ny 20 ireo laboratoara mikambana sy mivondrona ao anatiny.

Mino

Partager sur: