Orange Madagascar : manome tolotra Wifiber sahaza ny rehetra

Manome tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa indray ny Orange Madagascar. Nam­pa­hafantarina omaly, tetsy Soarano, ny tolotra Wifiber mizara ho sokajy roa. Sahaza ny daholobe sy olon-tsora ary hita manerana ny Nosy ireto tolotra vaovao ireto. Misanda 49 000 Ar isam-bolana, ahazoana tanjaka 100Go amin’ny internet ny tolotra Wifiber Go arahina fifanarahana (avec engagement) manditra ny 24 volana.  « Azo entina mifindra toerana sy ampiasaina manerana ny Nosy ny Wifiber. Tanjona ny hisitrahan’ny rehetra ny internet eto Mada­gasikara », hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Fréderic Debord. Malalaka kosa ny safidy ho an’ny fampiasan’ny mpanjifa ireo tolotra Wifiber Go+, Discovery ary Prime, izay samy tsy misy fifanarahana (sans engagement). Ankoatra izay, nampiakarina ho 250 Go ny tanjaky ny internet ho an’ny Wifiber Go+ raha toa ka 150 Go izany teo aloha. Niakatra ho 500 Go kosa izany ho an’ny Wifiber Discovery, raha 300 Go, ary lasa 900Go ny Wifiber Prime raha toa ka 500Go teo aloha.
Azo jifaina manomboka amin’ny 209 000Ar ny box miaraka amin’ny Wifiber. Tsotra sy mora ary azo ampiasaina avy hatrany izany vantany vao azo noho izy misy ny Plug & Play. Tsiahivina fa anisan’ireo manana tambajotra matanjaka sy ara-kalitao ary mandrakotra ny 85% ny Nosy, ampiasain’ny 90% ny mponina, ny Orange Mdagascar.

Henintsoa H.

Partager sur: