Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena ny Star, manana hetsika mahakasika ny fahasalamana ho an’ny mpiasa ihany koa izy. Nisy ny hetsika manokana ho an’ny vehivavy, « Octobre Rose » tao anatin’ny orinasa, natao nandritra iny volana lasa teo iny. Nambaran-dRaveloarison Fanou, tomponandraikitry ny serasera amin’ny rafitra sy ny Andraikitry ny orinasa amin’ny sosialy (RSE) ao amin’ny Star, fa niompana tamin’ny homamiadan’ny nono sy ny tranon-jaza ny hetsika.
Nentanina ny vehivavy mpiasa sy ny vadin’ny mpiasa, nampahafantarana mahakasika ity aretina ity. Maromaro ny fitiliana natao manerana ny masoivoho sy ny toerana misy ny ozinina eto amin’ny Nosy nandritra ny volana oktobra teo. Niaraka nanao ny fanentanana ny ambasadaoron’ny marika Eau Vive, sy ny dokotera Prisca, manampahaizana momba ny fananahana (gynécologue- obstétricienne). Efa nisy ny hetsika toy izao tamin’ny herintaona, izao notohizana izao ary hatao isan-taona.
Njaka A.