Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Taekwondo WT. Nisongadina ny ligin’Analamanga, izay nandrombaka medaly volamena miisa 81. Hatramin’izao, ny fifaninanana nasionaly ihany no azon’ny Federasiona atao. Satria, tsy mbola nahazo ilay “code” iraisam-pirenena hahafahana mandefa atleta any amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena izy ireo.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Fianarantsoa, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, latsaky ny 23 taona, taranja volley-ball. Nanao pao-droa indray ny ekipan’ny GNVB, izay voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy. Laharana faharoa kosa ny Bi’As sy ny ASI.
Tsy tafiala teto an-tanindrazana, ny zoma alina teo, ireo atleta malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja bodyblulding, hatao any Maldives, noho ny olana teo amin’ny fiaramanidina. Araka ny vaovao voaray, omaly izy ireo no saika hiainga indray saingy mbola tsy fantatra na lasa na tsia.
Hitohy anio ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, “Ligue des Champions 2025”. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro amin’izany, ny fifanandrinan’ny Real Madrid, Espagne, sy ny Ac Milan, Italie. Lalao hatao ao amin’ny Santiago Bernabeu Espagne, amin’ny 11 ora alina (ora any an-toerana).