Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fivoriamben’ny Comesa andiany faha-23, tany Burundi farany teo, fa anisan’ny hifotoran’i Madagasikara, hitondra fampandrosoana ny fanodinana ny vokatry ny fambolena. Eo koa ny fitrandrahana ara-drariny ny harena an-kibon’ny tany miantraika amin’ny vahoaka eny ifotony sy ny fizahantany ara-tontolo iainana.
Mamokatra mena-boanjo 15l isan’andro, 100% natoraly, ny kaoperativa Soamila, any Ankofafa Fianarantsoa. Manohana azy ny fandaharanasa Defi, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, tohanan’ny FAO. Hampahalala sy hivarotra ny vokatra ny vovonana Ketrika.com amin’ny tambajotra sosialy.
Ho tapaka ny lalam-pirenena RN1, eo Antanetimboahangy Analavory (PK 104+800), ny 14 novambra, manomboka amin’ny 8 ora alina hatramin’ny 15 novambra amin’ny 8 ora maraina. Antony, hoesorina ny tetezamby vonjimaika « pont Bailey ». Tsy misy ny fivilian-dalana mandritra ireo fotoana voalaza ireo.