Manahirana ny miteny fa maro ny “raha” hita eto Madagasikara eto. Firenena voalaza fa mpandala fihavanana saingy itoeran’ny mpiantsaravelatsihy. Tsy misy toerana ho an’ny olo-marina sy mandeha mahitsy. Izay fetsifetsy sy mahay mivarotra am-pitsanganana no tompon’ny tanàna. Zary mivadika tanteraka ny rasa. Izay vandavandana no toa volamena, fa izay manjelanjelatra mivadika ho varahina.
Resaka kitranoantrano sy kinamanamana no handeha mba ho resahana anio! Mahavariana mantsy ny sehatra maro toa hanjakan’ny halako bika tsy tiako tarehy fotsiny. Tena mahazo vahana ny kely tsy mba mamindro na dia afaka mifampizara hazavana sy hafanana aza. Mahavariana ny mahita ny fanjakazakan’ny havan’ny sasany etsy sy eroa. Mahavita mibaiko ny “kintana”, manindry ny “bokotra” ho ambany. Fahefana avy aiza anefa? Ampy hireharehan-dRamalagasy sasany ny anaran-janany na ny anaran-drahalahiny, na ny anaran’anadahiny hoenti-mibaiko izay tiany ho baikoina, ho an’ny tombontsoa manokany.
Etsy ankilan’izay, asa na noho ny tahotra na noho ny fitiavan-tseza fa dia voan’ny be manaiky avokoa ireto noheverina ho avara-pianarana. Tsy afaka ny mba hijoro, hitarika ho amin’ny tsara fa zary mpanara-drenirano be fahatany. Lasa mpitari-bato vilam-bava ny ankamaroany. Jamban’ny vola tokoa va re, ka manadino ny fianianana ho an’ny vahoaka sy ny tombontsoany?
Ny mahavariana dia ireo natao hiaro ny marefo no mandetika any amin’ny lalindalina kokoa. Efa baikoin’ny sitrany ahay sy ny aleo maty rahampitso ihany koa angaha? Sarotra inoana mantsy fa tsy maintsy ny “debadeba” samy irery no misitraka ny tokony hositrahina. Ny ambiny, mpila ranondranony sy misolelaka fotsiny ihany, mpitaty ilay “taim-paosy”.
Randria