Asa vaventy : drafi-pirenena ho an’ny fitaterana

Nankatoavina omaly, ny fanavaozana ny Drafi-pirenena mahakasika ny fitaterana (PNT). Voakasik’izany ny sehatry ny fotodrafitrasa ho an’ny fitaterana an-tanety, an-dranomamy sy an-dranomasina ary ny an-dalamby. Tsy ao anatin’ny PNT kosa ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka. Voarakitra
ao anatin’ny PNT avokoa, ny fohy ezaka maharitra 5 taona, ny antenantenany, 10 taona, ny lavitr’ezaka 15 taona ary ny aorianany.
Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore. Nambarany fa tanjona ny hampaharitra ny fampiasana ireo fotodrafitrasan’ny fitaterana eto Madagasikara. Natao nandritra ny atrikasa, omaly, ny fankatoavana ireo tetikasa laharam-pahamehana sy ny tolo-kevitra noraiketina ao anatin’ny PNT. Eo koa, ny famaranana ny dingana sy ny paikady hanatanterahana ireo tetikasa voafaritry ny fohy ezaka (2025-2030), ny antenantenany (2031-2035), ny lavitr’ezaka (2036-2040), ary ny aoriany.

Njaka A.

Partager sur: