Eto Madagasikara no hanaovana ny fikarohana. Malagasy no mikaroka. Amin’ny fiteny vahiny no hanatanterahina ny fanohanan-kevitra sy ny boky havoaka miaraka aminy. Tranga hita sy iainana eny amin’ny ankamaroan’ny fianarana ambaratonga ambony na miankina amin’ny fanjakana na tsia io. Mahavariana tanteraka fa mpikaroka momba ny sikidy, fanandroana, fanorona, kanefa misafidy ny hamoaka boky amin’ny teny vahiny… Mbola ambin-javatra ny teny malagasy!
Anisan’ny antony mafonja mahatonga ireo tranga ireo ny fananana fomba fisainana napetraky ny mpanjakazaka an-tanin’olona. Mbola maro amin’ny mpampianatra, mpanabe, mpikaroka, tomponandraikitry ny sekoly, sns, no tsy resy lahatra fa Malagasy. Na, mihevi-tena ho lesoka manoloana ny vahiny. Ny hafa indray, mieritreritra fa ny vahiny no afaka mividy ny voka-pikarohany fa tsy ny Malagasy, indrindra moa fa raha maneho momba ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny fomba amam-panao mampiavaka ity Nosy ity.
Raha mbola maro ny olon’ ny fanabeazana sy ny kolontsaina no mifikitra mafy sy tia manindraindra vahiny mba te ho deraina ho olon’ambony sy mandroso. Tsy hahita fandrosoana na oviana na oviana i Madagasikara sy ny Malagasy, satria, mbola kilalao sy saribakolim-bahiny ary « Rajakom-bazaha » ny taranany!
HaRy Razafindrakoto