FANTINA sy FINTINA

Nanao fanambarana fanohanana ny kandidà atolotry ny Irmar ny fikambanana Andry sy fototra ho an’ny fampandrosoana (AFF), tarihin-dRavatomanga Haingo. Nambarany fa anton’izany ny ho fanohizana ny asa soa sy ny fahitana fa mahafa-po ny asa vita tao anatin’ny fotoana fohy ka hanomezan’izy ireo tanana ny kandidà eto an-dRenivohitra, Ramanantsoa Harilala.
Notsiahivin-dRatsiraka Annick fa namboarina tamin’ny andron’ny fitondrana Ratsiraka ny “Barrage hydroélectique” ao Andekaleka, tokony hamatsy ny ampahany betsaka amin’ny herinaratry ny Jirama. “Sarotra ny mitondra firenena, ary tena tsy natao ho an’ny olona tsy niomana”, hoy izy.
Nolanian’ny fivoriamben’ireo depiote, omaly, teny Tsimbazaza ny volavolan-dalàna famatsiam-bola hanamboarana ilay tetezana mitsingevana « Fly-Over Maki », hiainga etsy amin’ny lalan’ny Frankofonia sy ny “Boulevard de l’Europe”. Voalaza fa samihafa amin’ny famatsiam-bolan’ny Fly Over Anosizato, efa nankatoavina ny taona 2022 ity nolaniana ity.
Nahazo fitaovana ny sampandraharahan’ny fananantany ao Toamasina. Notoloran’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany kojakoka samihafa, toy ny latabatra sy seza, fanasokajiana dosie, fitehirizam-bola sy armoara ary fitaovana samihafa, ny fitaleavana any an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny fomba fiasa sy haha maoderina kokoa ny ny sehatry ny fananantany izany.

Partager sur: